Haifinoana : Mahay miaro sy mampita ny finoana Kristiana manoloana ny fampianaran-diso sy ny finoanoam-poana ary ny tsy finoana
Fahalalana ny zavatra rehetra : manaiky hampianarin'Andriamanitra
Haibaiboly : Mahay Baiboly sy heviteny ary Teolojia eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina
Tantara : Mahay manoratra tantara hiatrehana ny nankehitriny sy hanomanana ny ho avy
Haifampandrosoana Fiangonana sy Fiaraha-miaina Kristiana (HFF/FMK) : Mpanompon'Andriamanitra manompo ny Fiangonana sy ny fiaraha-miana Kristina
Fitarihan-teny: Maharaka ny fivoaran'ny fianarana sy ny fikarohana momba ny HFF/FMK
Haitarika, haitantana, fandraharahana : Miraharaha ny zava-madinika hahatonga ny zava-dehibe handeha ho azy; mibanjina ny ho avy hahafahana mandamina ny ampitso sy mnao izay tokony hatao androany
Litorjia, Homelitika Dinika manafaka : Mahalala ny filana ara-panahin'ny olombelona
Teolojia Pastoraly sy fanabeazana Kristiana : Miaina sy mampihatra ny fampianarana Kristiana ho fampandrosoana ny Fiangonana sy ny Fiaraha-miaina Kristiana ary ny Fiarahamonina
Teolojia mifanitsy amin'ny Zava-misy : Manova ny fomba amam-panao eo anivon'ny Fiarahamonina ho fitaovana enti-mampandroso ny Fiangonana.
Haifilazantsara: Vavolombelon'i Jesoa mahatonga ho olom-baovao izay mifanerasera aminy
NY TSANGANAN'NY MPITANDRINA FJKM